EFA - ERIKA

 

EFA

  • Hivalo fanahy tsy haditra aho, fa hanaraka ny Efanareo.

EKENA

  • Raha Eken-dRabevoho aza, raha tsy Eken-dRafiara tsy tapaka.

ELA

  • Tonta ny Ela fa ho avy ny vao, ny maso mahita ny vao, fa ny Ela tsy manaja ny vao.
  • Tsy avelan’ny Ela tsy ho antitra.
  • Toeran’ny Ela mahareiroy (maharairoa = mahatonga iray ny roa).
  • Halako ny Ela fa mahatonta ny soa.
  • Tiako ny Ela, fa fa ahitana ny marina.
  • Tiako ny Ela fa lalana isandratana.
  • Tiako ny Ela fa mahahendry ny adala.
  • Tiako ny Ela fa mahalehibe ny kely.
  • Tiako ny Ela fa mahamaro ny vitsy.

ELANELANY

  • Ny hatezerana misy famavany, ny hafaliana misy Elanelany.

ELA NIKASANA

  • Tampoka Ela Nikasana toy ny fahafatesana.

ELATRA

  • Ny teny toy ny atody raha foy manana Elatra.
  • Aingaingao ray volom-body, fa ny Elatra hanidina tsy misy.

EMBOKA

  • Ny olombelona tsy fo vato fa fo Emboka.

EMBOK’AKONDRO

  • Amboa miandry Embok’Akondro, andrasan-tsy latsaka, ilaozan-toa hena.
  • Embok’Akondro, raha manondro lanitra toa iray ihany, far aha miondrika samy manan-kolafiny.
  • Ny olombelona toy ny Embok’Akondro, raha manondro lanitra iray ihany, far aha miondrika samy manan-kolafiny.

ENDRIKA

  • Dovidovy Endrika ka tian’olona haratsiana ary amboalambo tarehy ka tian’ny kabary hodiavina.

ENJINENJINY

  • Ny avonavona toy ny entan’anivona, ne vesany leo ihany fa ny Enjinenjiny no tsy toha.

ENTANA

  • Ny hadino no mahavery ny Entana.
  • Ny avonavona toy ny Entan’anivona, ne vesany leo ihany fa ny enjinenjiny no tsy toha.
  • Aza mitondra Entan-tsy voafehy.

ENTI-MIHAZAKAZAKA

  • Varo-bomangan-dRenisoa, Enti-Mihazakazaka poritra, entina miadana, tsy mahatratra tsena.

ENTI-MITSANGANA

  • Tsy satry ny mandihy mipetraka, fa ny lamba ho Enti-Mitsangana no tsy misy.

ENTI-MITSINJAKA

  • Na midarona azan y sandry, la manao lany ala azan y nify, ny tohiloha Enti-Mitsinjaka.

ENTINA MIADANA

  • Varo-bomangan-dRenisoa, enti-mihazakazaka poritra, Entina Miadana tsy mahatratra tsena.

ENTINA MIRIATRA

  • Mitrotro varatra, misakelika fantara, ka entina miriatra.

ENY AN-DANITRA

  • Sambo-balalan-dRaivondeso, mbola Eny An-Danitra ka siahina, tsy mbola azo ka valalan-janaka.

ERAM-PANAHY

  • Solafaka eran-kibo, lavo Eram-Panahy.

ERANAMBATRY

  • Manan-kantenaina toa an-dRandranobe, mandevina Eranambatry.
  • Eranambatry tsy ampy, vozon’akoho no manefa.
  • Aleo Eranambatry “manomboa”, toy izay ariary “aza manombo”.
  • Aleo mitsangan-ko Eranambatry, toy izay midon-ko ariary.

ERAN-KIBO

  • Solafaka Eran-Kibo, lavo eram-panahy.

ERIKA

  • Fitian-dranon’Erika, madini-pihavy fa mahatondra-drano.
  • Aza manao fitian-dranon’Erika, madini-pihavy fa mahatondra-drano, fa aoka hasesiky ny fitia tanteraka ka tsy mahalala ranonorana ho lany.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site