RABE - RAZI
RABEMALO
- Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ho fatin’ny daka no farany.
RABEMILA
- Fieran-dRabemila, sady miera no manao.
RABETSIRAVA
- Rah any ondrin-dRabetsirava no mitondraka, vohay fa ondrin-kavana. Far aha ondrin-dRainimanira no mitondraka, orosy ny rambony sy ny sofiny.
RABEVITSIKA
- Toram-poana tahaka an-dRangahy Andriandambo, nolalovan’ny vava basin-dRabevitsika.
RABEVOHO
- Raha eken-dRabevoho, raha tsy eken-dRafiara tsy tapaka.
RABEVOINA
- Raha fatin-drain’olona ataony hoe: “Raveboina rain’Ialahy”.
RADRAHONA
- Lany maina hoatra ny laokan-dRadrahona.
RAERIKERIKA
- Razavozavo sy Raerikerika, mandina miara-mandina, vazina miara-bazina.
RAFIARA
- Raha eken-dRabevoho, raha tsy eken-dRafiara tsy tapaka.
RAFOTSIBE
- Izaho no ataonao Rafotsibe manoham-bato.
RAFOZANA
- Dedaka maty ondry, nefa tsy manome Rafozana.
RAHA HO LANY IHANY
- Raha indrindra ho lany ihany ny paiso an-kady, avelao mba hirotsaka Ilambosalama.
RAHAMPITSO
- Boka mievina, afa-drofy anio, fa mivindana Rahampitso.
RAHAVANA
- Raha ho faty aho, matesa Rahavana; raha ho faty Rahavana, mates any omby.
RAHIVINA
- Sikidin-dRahivina, raha tsy mifameno mifandiso.
RAIKI-PITIA
- Raiki-pitia tamin’ny antitra hianao, mbola tia ka nilaozany maty; fa ny manina irery no mangozohozo.
RAINGY
- Matahotra aho fa mivatsy Raingy.
RAIN’IALAHY
- Raha fatin-drain’olona, ataony hoe: “Rabevoina rain’ialahy”.
- Ny an-tratra tsy lavo, ka antsoy koe “Rain’ialahy”.
RAINIBANGO
- Ny miara-komana no tsara Rainibango.
RAINIBESAHAFA
- Antonony izay hoy I Rainibesahafa.
RAINIFANDROTRARANA
- Miakanakana, hoy Rainifandrotrarana ka ny zanak’anabavy no atao saporitra.
RAINIKOTOAMBOA
- Renimahaimanana no voatora-trano ka Rainikotoamboa no lava kiho.
RAINILAIZAFY
- Sodin-drofian’I Rainilaizafy, midina lany vola folo, miakatra lany fatotra amam-pondrana.
RAINILITA
- Miteny foana aho hoy Rainilita.
RAINIMANAFIKA
- Fanambadian-dRainimanafika, ny mody tsy alaina mba tsara ihany.
RAINIMANANKIARANA
- Tefy angadin-dRainimanankiarana, ny tsy asaky ny antsoro atao vely manta, ary nony mivarotra, dia ny masak’arina ihany no alaina.
RAINIMANIRA
- Raha ny ombin-dRabetsirava no mitondraka, vohay fa ondrin-kavana. Fa raha ondrin-dRainimanira no mitondraka, orosy ny rambony sy ny sofiny.
RAINIMAROTIANA
- Rainitsimanetsa no mampirafy, ka Rainimarotianano tia vidy landy.
RAINIRAONY
- Tefy vilian-dRainiraony, ny an’olona vonjena, ka ny an’ny tena no atao tofefin-katoka.
RAINISALAMA
- Kabarin-dRainisalama, ny lasa dia lasa ary ny sisa dia manaraka ihany.
RAINISAMBOADY
- Antsiben-dRainisamboady, langan’ny an’olona, mandehandeha misedisedy, ny an’ny tena tsy atao.
RAINISIMA
- Diamangan-dRainisima, ny lavo mitsilany voa, vao manala vava.
RAINITSARALAFY
- Handray vonona tahaka an-dRainitsaralafy.
RAINITSILOMBONINA
- Varo-tako-dRainitsilombonina, ny tompony indray no mifandrombaka.
RAINITSIMANETSA
- Rainitsimanetsa no mampirafy, ka Rainimarotiana no tia vidy landy.
RAIN’OLONA
- Raha fatin-dRain’olona ataony hoe:” Rabevoina rain’ialahy”, ary raha fatin-drainy ataony hoe: “Ratompokolahy Ikaky”.
RAIVONDESO
- Sambo-balalan-dRaivondeso, mbola eny an-danitra ka siahina, tsy mbola azo ka valalan-janako.
RAKALAFOHY
- Rasa ombin-dRakalafohy, ny tompony indray no mandroba.
RAMALINA
- Tsy misy toa an-dRamalina, fa mifehy hazo tokana.
RAMAROSIKINA
- Miranirany tsy akapa toy ny antsin-dRamarosikina.
- Ovin-dRamarosikina, tondrahana orana vao maty fotsy, sokirina vao miha-maintso.
RAMBO
- Raha ondrin-dRabetsirava no mitondraka, vohay fa ondrin-kavana. Fa raha ondrin-dRainimanira no mitondraka, orosy ny Rambony sy ny sofiny.
- Ny avona Rambon’amboa samy mijonjona ny azy.
RANDRANOBE
- Manan-kantenaina toa an-dRanodranobe mandevina eranambatry.
- Manantena tsy maty toa an-dRandranobe mifehy lavenona.
- Omanomana ihany hoy Randranobe nitsako ronono.
- Randranobe mampiady kary: “avelao hisy maty fa samy ahy”.
- Randranobe no maty vary, ka Renindravola no mosarena.
- Randranobe vaky sahafa, manatavy ny akohon’olona.
- Randranobe voky hoditra: “tsy tiako mbamin’ny ao am-pahitra”.
- Sikidin-dRandranobe, tsy ody faty fa ala-nenina.
RANGAHIBE
- Rangahibe mampirafy, ka maty indray andro izy roa, ka hoy izy: “alaon’ny ato aho, alaon’ny aroa”.
RANGAHY
- Famakiloha anaty katsaka, izay mitranga Rangahy avokoa.
- Toram-poana tahaka an-dRangahy Andriandambo, nolalovan’ny vava basin-dRabevitsika.
RANO
- Faly! Raha tong any rano fanala kenda.
- Ny fanompoana toy ny rano an-kitsak’akoho, mitelo miefa-madinika.
- Rano am-pasika, tsy nampoizina hisy ka nahazoana.
RANOMASO
- Ranomaso tsy miaraka amam-paty.
- Singam-bolo tsy mahafehy faty, Ranomaso tsy mahatana aina.
- Mitady hivelona amin’ny Ranomason’olona hoatra ny lalitra mitsentsitra ny maso didy.
RANOMBARY
- Amboakelin-dRazakabezafy, omen-dranombary tsy maty, k any volom-bodin’trano no lelafina.
RANON’ERIKA
- Fitian-dranon’erika, madini-pihavy fa mahatondra-drano.
- Aza manao fitian-dranon’erika, madini-pihavy fa mahatondra-drano; fa aoka asesiky ny fitia tanteraka ka tsy mahalala ranonorona ho lany.
RANON-KETSA
- Raha hety ny atao, ny sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa.
RANON-TAMBIAZINA
- Vorona diso farihy ka misoka amin-dranotambiazina.
- Tsiriry diso farihy va hianao no miboboka Ranototambiazina?
RANONTRAMBO
- Fitia Ranontrambo: be fihavy ka mora ritra; rano am-pasika: tsy nampoizina hisy ka manodoka.
RARA-BOASARY
- Boka Rara-boasary, ny an’ny tena ihany, ka anambazan-kisasahana.
RARA-TSIFOTRA
- Boka Rara-tsifotra, ny an’ny tena ihany no ananan-doza.
RASA
- Andevolahy tsy mahatra-dRasa, any avara-tanàna vao mingoso anabavy.
RASAINA
- Akoho no Rasaina ka famaky no tadiavina.
RASA OMBY
- Rasa Ombin-dRakalafohy, k any tompony indray no mandroba.
RASA VOLANA
RATOMPOKOLAHY
- Raha fatin-drainy ataony hoe:” Ratompokolahy Ikaky”.
RATSARAMIHANTA
- Reniboto no lem-paka kitay, ka Ratsaramihanta no didimaso.
RATSIAVANGA
- Sotroben-dRatsiavanga, sady fikapohana amboa no fangaroana anana.
RATSIMANDRESY
- Mpanompon-dRatsimandresy efa nasandratra vao nihareraka.
RATSY
- Soa Imananivo, soa min’ity. Ho Ratsy Imananivo, Ratsy amin’ity.
RATSY MIAFARA
- Ratsy miafara toy ny fanoto, antitra vao kely anarana.
RATSY VAVA
- Aza tsara vava fahavaratra, fa Ratsy vava ririnina.
- Tovolahy mievina am-paty, sady tsy homba no miharatsy vava.
RAVAKA
- Ny hatsaram-panahy no Ravaky ny vehivavy.
RAVIN’AVIAVY
- Mampiady Ravin’aviavy, ny lehibe ihany no matanjaka.
RAVIN’AVARATRA
- Raha izay iny ataoko tsy mahita Ravin’avaratra amiko.
RAY AMAN-DRENY
- Ny Ray aman-dreny toy ny vody fahitra na soa na ratsy izay monja lazaina.
RAZAKABEZAFY
- Amboakelin-dRazakabezafy, omen-dranombary tsy mety, ka volom-bodin-trano no lelafina.
RAZAVOZAVO
- Razavozavo sy raerikerika, mandina miara-mandina, vazina miara-bazina.
RAZIHIZIHY
- Dihin-dRazihizihy, sady tsy hirebika no tsy hanipy sandry, fa eo no mihoninkonina foana.