Problema

Job wife1

Raha ny Problema raketin’ ny Boky no dinihina , dia misy Hevi-dehibe Telo tokony hazava tsara amintsika : 

 i)- Betsaka ny olona , na mandrakankehitriny aza , no mihevitra , fa ny zava-kendren’ny Bolin ‘ i Joba dia ny “Fahoriana” :

  • Misy antony ve ny fahoriana ?
  • Nahoana ny tsara fanahy no mahita fahoriana ?
  • Moa misy fifandraisany ve ny fahotana sy ny fahoriana ?

Hita ao amin’ ny Bokin’ ny Salamo 39.73 koa izany hevitra izany. 

 ii)- Amin’ ny ankilany indray , dia misy sokajin’ olona hafa koa , toa mirona betsaka amin’ ny fanontaniana napetrak’ i Satana hoe :

  • Moa tsy fanantenan-javatra ve no atahoran’ i Joba an’ Andriamanitra ? (1.9 ) .

Ny resahina eo mantsy dia ny fifandraisan’ Andriamanitra sy ny olombelona .                  

  • Moa ny filàn-javatra ve no anton’ izany ?
  • Moa misy olona ve tsy mila zavatra , rehefa mivavaka fa dia fitiavana fotsiny ihany ? 

 iii)- Na manelingelina ny sain’ ny Hebreo azan y fahoriana , dia mbola misy hevitra hafa mafonja kokoa noho izany mamely ny sainy , mahakasika ny tantara sy ny fandehany . Ny zavatra rehetra niorenan’ ny finoan’ny Firenena Israely dia rava tanteraka :

  • Narodana ny Tempoly .
  • Nalefa ho babo ny maro .
  • Lasan’ ny firenen-kafa ny Tany Kanana .
  • Potika ny Fanekena tamin’ Andriamanitra . 

Nalaim-panahy mafy ny Zanak’ Israely niandry tamim-panginana ny sitrapon’ Andriamanitra ( Fitom .3.26 ) , na hamoy fo , na hisalasala ny amin’ ny herin’ Andriamanitra , ka hitodika amin’ ny sampy , na hanaiky lembenana izay noheverina ho sitrapon’ Andriamanitra . Toa tsy misy mihitsy aminy , araka ny heviny , izay fifandraisan’ Andriamanitra sy ny olombelona .                                                          

Tsy tokony hangina eo anatrehan’ ny zavatra rehetra anefa ny mpivavaka ( azo ampidirina eto koa ny mpino ankehitriny ) , fa tokony hifandahatra amin’ Andriamanitra, satria Rainy Izy . Tsorina fa tsy azo antsoina hoe mpino intsony , ny olona manaiky lembenany sy mangina fotsiny . Velona Andriamanitra , ka azo atao tsara izany , na dia tsy takatry ny olombelona aza  ny zavatra rehetra eo amin’ Andriamanitra . 

 iv)- Tsiahy :Ny tantaran’ ny lehilahy iray natao hoe JOBA ary , no ambaran ‘ny Boky eto . Lehilahy fantatra tamin’ ny fitiavam-bavaka , ka nahavaky vava na di any Tompo Andriamanitra aza  ( 1.8 ) . Hafa anefa ny fihevitr ‘ i Satana sy ny finoany , fa io nolazainy ho fandokafan’ Andriamanitra azy io ,dia ivelany fotsiny ihany . Araka ny heviny mantsy , dia tsy azon’ ny olombelona atao ny ho tonga eo amin’ ny “Fahatsarana” na “Ho tonga Lafatra” . Miharihary eto amin’ ny tantara ary Andriamanitra sy Satana mifanolan-kevitra . Joba raha nivavaka anefa, dia tena “Fitiavam-bavaka” tokoa fa tsy an-teritery velively . Ka na ny fahafongoran ‘ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna , eny, fa na ny zanany rehetra aza , no vao mainka nahitana ny fitiavam-bavaka tao aminy nitodika tamin’ Andria-manitra ary taminy irery ihany .  

Raha mbola tao anatin’ iny fotoan-tsarotra iny ary Joba , dia tonga tany an-tsofin’ ny olona telo lahy ny nahazo ny sakaizany . Tsy nangatak’andro izy ireo fa nidodododo nanatona an’ Joba . Hitan’ izy ireo Joba nihosinkosin-davenona , ka nampaharikoriko azy . Sarotra hazavaina tamin’ izy telo lahy ireo izao nanjo ny sakaizany izao, ka dia naleony nangina , satria tsy nanantena ny hahaveloman’ i Joba intsony izy ireo . Nanaja izao fahavoazana izao izy telo lahy ka nangina , satria , araka ny heviny,ny fanginana tena manampy betsaka ny marary . Lalina loatra moa ny  fahorian’ i Joba , ka na inona na inona teny ataony , dia tsy misy vokany , ka naleony nangina . Ny hevitra niverimberina tao an-tsain’ izy ireo, dia ny hoe : tsy misy na oviana na oviana olona tsar aka ho voa tahaka izao manjo an’ i Joba izao , satria , hoy izy ireo , ny olona tsara dia nambinina , fa ny ratsy kosa dia tsy nambinina akory . Tamin’ i Joba anefa , dia tsy zava-mahagaga izao : nambinina aho , hoy izy , “Ny Tompo no nanome – Nofongorana ny fananako sy ny zanako – Ny Tompo no naka

Nandinika Joba ka  niaiky : “Ahoana sy aiza amin’ izao ny Fahamarinan’Andriamanitra ?”

Tsy nahazaka ny fanginana intsony Joba , kanefa  na eo aza izany, dia :

  • Tsy nitantara ny fahoriany tamin’ ireo sakaizany akory izy .
  • Tsy nangataka velively akory ny hamerenan’ Andriamanitra ireo zavatra nananany izy. 

Raha eo amin ‘ ny lafiny Teolojika no heverina , dia misy Problema tokoa ato amin’ ny Boky .

Diniho ange ny tokony ho zava-misy fahita :

  • Ny anjaran’ ny marina dia tokony ho sambatra , fa ny ratsy kosa dia mijaly .

Mifanohitra amin’izany anefa no hitantsika ato amin’ ny Boky :

  • Nahoana Andriamanitra no mampijaly ny “tsy manan-tsiny” ?
  • Nahoana ny olombelona tahaka an’ i Joba no mijaly ?
  • Moa Andriamanitra Marina ve Andriamanitra Fahamarinana ? 

Izany fanontaniana anaty saro-baliana izany , no nifamadibadika sy nifandona be ihany tao an-dohany , satria :

  • Andriamanitra Marina dia mamely ny tsi-manan-tsiny .
  • Arak any fandrosony hanao ny tsara , no vao mainka mampijaly azy.
  • Ny manao ny marina indray no mangina .
  • Inona ary no fahamarinana eo amin’ Andriamanitra amin’izao toe-javatra izao ?
  • Hanao ny soa sy ny marina ve dia hiharan’ ny fahoriana , sa hanao ny ratsy dia ho afaka ? 

Tamin’ izao toe-javatra  nahazo an’ i Joba izao , dia  ory tanteraka ny fanahiny .  Ny faniriany, dia ny hahitany izay hampionona azy . Tonga indray anefa izy telo lahy , tsy niteny tsy nivolana , satria noheveriny ho fiombonam-pahoriana amin’  i Joba izany . Ny fanginan’ izy telo lahy anefa , dia toa mitory fanamelohana an’ i Joba : “Mpanota ‘Ianao” . Izao fihetsik’ izy telo lahy izao, dia ahalalana fa tsy manana traikefa amin’ ny fahoriana manjo ity sakaizany ity , fa di any an’ ny tenan’izy ireo ihany no fantany . 

            Manomboka eto , dia misongadina ny fahaizana “Artistika” ato amin’ ny Bokin’ i Joba . Mandroso tsirairay izy telo lahy hilaza mifandimby ny heviny avy . Joba irery eto no ifandaharan’ ny tenin’ izy ireo . 

            Raha mamerina mamaky ny Boky isika, dia hahatsapa fa misy Fidirana intelo miantoana ny adi-hevitr’ireo sakaizan’ i Joba taminy . Hojerentsika fohifohy avy izy ireo , satria eo no miseho ny Teolojian’ ny sakaizan’ i Joba : 

            Fidirana voalohany ( Toko 3-14 ) :  

Elifaza : Manazava ny amin’ ny “Fahadiovana ananan ‘ Andriamanitra” : Tsy misy tsiny Izy , sady tsy mankasitraka ny ratsy . 

Bildada : Miresaka ny amin’ ny “Fahamarinan’ Andriamanitra” : Tsy azo vazivaziana  , ary izany no mahatonga an’ Andriamanitra tsy hahatanty ny faharatsian ‘ny mpanota . 

            Zofara : Milaza ny “Fahendren’ Andriamanitra” :Hendry Andriamanitra , ka afaka manome fahendrena tsy takatry ny saina . 

Na voavelabelatr’ izy telo lahy aza izany rijan-kevitr’ izy ireo izany , dia tsy nisy naharesy lahatra an’ i Joba velively . 

           Fidirana Faharoa ( Toko 15-21 ) : 

            Rehefa avy nilaza ny valin-teniny Joba , dia niova endrika indray ny tetik’ adin’ izy telo lahy : 

            Elifaza – Bildada – Zofara : Nasian’ izy ireo fitenenana indray  ny amin’ ny “Anjaran’ ny ratsy fanahy” . Rehefa tapitra ny fiainana feno fahoriana eto an-tany ananan’ ny ratsy fanahy , dia mbola fahoriana koa no miandry azy rehefa maty . Foana izy ary fongana toy izany koa ny tantarany , indrindra fa ny taranany . Naverimberin’ izy telo lahy, sady niraisany tsara , ny amin’io ‘fiafaran’ ny ratsy fanahy” io . 

            Na samy namatsapatsaka an’ i Joba toy izany aza izy telo lahy , dia tsy mbola nisy naharesy lahatra azy . satria efa fantatr’ i Joba avokoa izany nambaran’ izy ireo izany . 

            Fidirana Fahatelo ( Toko 22-31 ) : 

            Eto dia tsy nanolakolaka intsony izy telo lahy , fa avy hatrany dia namaky bantsilana : 

            Elifaza : Notsindriany mafy fa mpanota sy mpihatsaravelatsihy i Joba ., ka tsy sitrak’Andria-

manitra izany faharatsiany izany .

            Bildada : Mbola naverimberiny sady nohamafisiny tsara ny heviny teo aloha ny amin’ ny “Fahamarinan’ Andriamanitra” tsy azo vazivazina . 

            Zofara : Mbola famerenana ny voalazany tary aloha ihany koa , no namelezany an’ i Joba eto. 

            Raha fintinina  ny teny miverimberina nataon’ izy telo lahy amin’ity Fidirana Fahatelo ity dia izao:

Valin-keloka ho an’ ny mpanao ratsy ny fahoriana” . “Andriamanitra dia afaka mampijaly olona mba hahatsapan’ny olona ny  fahasambarana” .Kanefa , toetran’ Andriamanitra ve ny manao ny ratsy ihavian’ ny soa ? .  “Ny fikapohana ataon’ Andriamanitra , dia ny hanomezany fahatsarana sy fahasambarana ho an’ ny olony” 

           Eliho : Niditra taorian’ izy telo lahy ny sakaizan’ i Joba fahefatra , izay niseho ho mpanelanelana  azy ireo  sy Joba . Tsy nanaiky velively Eliho , fa ho azon’ Andriamanitra tanterahina ny fanirian’ i Joba hifanandrina amin’ Izy Andriamanitra . Tsy antony  mantsy , hoy izy , ny heneken’ Andriamanitra io fangatahan’ i Joba hifanandrina aminy io , satria  fanantenana  poak’ aty izany . Amin’ i Eliho , dia tena  famelezana ny Fiandrianan’ Andriamanitra , ny fitarainany sy ny fitolokoany noho Andriamanitra tsy nanaiky ny fifandaharana aminy  ( 33.10-17 ) . 

Araka ny hevitr i Eliho , dia mbola azo atao tsar any mandresy lahatra an’ i Joban a mangina aza ireo sakaizany telo lahy teo alohany , ary na dia izy koa aza , dia nanome tsiny ireo telo lahy niteny talohany ireo  ( 32.11-18  ) .

 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site