Fandinika

1.- Hevitra Tsoahina avy amin’ ny Fahorian’ i Joba . 

            Misy Fanontaniana ilàna valiny ny toy ireto :

  • Misy ala-olana metimety na tsaratsara kokoa ve ny amin’ ny Fahoriana midona amin’ ny tsara fanahy ?
  • Nahoana moa ny tsara fanahy no mitondra fahoriana sady mitondra bebe kokoa , noho ny hafa aza indraindray ? 

Efa nikaroka nitady valin’ izany ny firenena maro hatramin’ ny fahagolan-tany, nefa tsy nahita zorony akory ny ankamaroany . Ohatra rasintsika ireto manaraka ireto : 

              Ny Grika :

            Ny Firenena Grika izay kanto indrindra tamin’ ny Filozofia sy ny Fiadian-kevitra, dia tsy nahita ny valin’ izany . Hàny heriny dia nitana ny finoana boribory hita ao amin’ny Epistily nosoratan’ i Paoly ho an’ ny Korintiana hoe : “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” ( I Kor.15.3 ) .

             Ny Bodista :

            Ny Bodista any Inde sy Chine koa samy efa nikarokaroka fatratra , kanjo tsy nahita koa, ka ny iriny indrindra di any ho afaka faingana amin’ ny fahoriana rehear manjo aty ambonin’ ny tany , ka hiditra any amin’ ny “Nirvana” , ilay torimaso mahafinaritra antenainy izay tsy misy fifohazana intsony .

             Ny Kristiana :

Ary ny Kristiana kosa manao ahoana ?  Moa mba tena mazava sy mahafapo ny finoana Kristiana va ny amin’ izany ?  Raha ny antony tokoa  no heverina , dia toa tsy izany velively ny tena antony , satria ny “Fitsaran’ Andriamanitra dia tsy hita lany, ary ny lalany dia tsy azo fantarina” ( Rom.11.33 ) . Kanefa kosa dia azo ekena ihany, fa mba misy izay mangirana kely taty aoriana , raha mitaha amin’ izay fantatry ny Mpanoratra ity Boky ity , sy ny Ntaolo tao anatin’ ny taranaka maro nifandimby ny amin’izany . 

            Tsrovy koa , fa ny lalana idiran’ ny fahoriana dia tsy tokana fa marobe : 

            11.- Noho ny Ataon’ ny Tena :

            Mbola miasa sady averimberin’ ny olona maro na dia mandrakankehitriny aza ny hoe “Izay afafin’ ny olona no hojinjainy” . Ka ny fandikana ny lalàm-pahasalamana , ohatra , dia aretina , ary ny tsi-fitandremana ny dia atao dia faharatrana . 

            12.- Noho ny Lova avy tamin’ ny Razana :

Efa niharihary sahady tany amin’ ny Bokin’ ny Eksodosy ny hoe : “Ny heloky ny ray dia mahazo ny zanaka” ( Eks.20.5 ) . Na dia nolavin’ ny Mpaminany Ezekiela aza izany , dia tsapa fa mbola tazonin’ ny maro , ary toa zary lalàna velona  mandrakankehitriny , ary asongadin’ ny Filazantsara nosoratin’ i Jaona hoe : “Iza moa no nanota, ity lehilahy ity sa ny ray aman-dreniny no teraka jamba izy ?” ( Jao.9.2 ) . 

            13.- Noho ny Hatsaram-panahy sy ny Fitondrantena Tsara :

            Josefa tany Egypta dia niharam-pahoriana nangidy sady naharitra , tsy noho ny ratsy nataony, fa noho izy naharitra fakam-panahy ( Diniho : Gen.37.36 ; 39.7,10,20 ) . Ny maritiora marobe taty aoriana koa , dia niaritra fampijaliana tsy azo tononina hatramin’ ny fahafatesana aza , noho ny hatsaram-panahiny . Fa matoa misy ireny rehetra ireny, dia ao ny antony :

  • Ho vavolombelona fa tena mahatana ny finoany ny tena mpanompon’ Andriamanitra  , na inona na inona fahoriana mihatra aminy .
  • Nolavin’ i Satana izany , eto amin’ ny Bokin’ i Joba ( 1.9 ) , kanefa Andriamanitra dia niantoka izany kosa, ka dia naharihariny tamin’ i Satana sy ireo sakaizany telo lahy , fa misy tokoa finoana izay tsy miankina amin’ ny “fanantenàn-javatra” , fa finoana izay tsy azo ongotana mihitsy na dia miseho ho mihozongozona kely ihany aza indraindray .
  • Ny tsinin’ ny olona no miharihary amin’ i Satana , fa ny hatsaram-panahy kosa dia jeren’ Andriamanitra be lavitra .  

2.- Ny Fifandraisan’ ny Fahorian’ i Joba sy ny Filazantsara : 

            Ny Probleman’ ny Fijaliana sy Fahoriana, dia mipetraka mandrakariva, ary mitatra hatrany ka mahatratra ny taranaka rehetra na aiza na aiza . Ny hita hatraiza hatraiza ary dia izao :

            21.- “Mijaly mandrakariva ny marina” .

  • Jesosy Krist Tompo , dia voalaza ho “Tanteraka tamin’ ny Fahoriana” ( Hebr.2.10 ) ary “efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra . . .kanefa tsy nanana ota” ( Hebr.4.15 ) .
  • Ny Apostoly Paoly nianjadiam-pahoriana dia nilaza : “Fa ny fahorianay maivana , izay vetivety foana , dia mainka miasa fatratra indrindra , ka mahatanteraka voninahitra mavesatra haharitra mandrakizay ho anay” ( II Kor.4.17 ) . 

       Izay  tokony hokendena indrindra ary ,  dia :

  • Ny tsy mba ho afa-pahoriana , fa ny mba ho afa-pahotana kosa .
  • Ny mahatsiaro mandrakariva , fa ny faharetana amin’ ny fahoriana , dia miasa famonjena sy fahasoavana ho an’ ny tena sy ny fanahy koa . 

Misy izay antony lehibe sy ambony lavitra noho ireo , dia :

            22.- “Ny Fiaretana Misolo ny Hafa” .

  • Nahoana Jesosy Ilay Masina sy Marina no mijaly ? Hitantsika mazava ao amin’ i Jesosy Kristy ihany ny valin’ izany , hàny ka tsy nisy valiny ny problema ao amin’ i Joba .
  • Ny fizakan’ ny olombelona ny fijaliana no asehon’ ny Boky ao amin’ ny Testamenta Vaovao .  

3.- Fehin-teny : 

            Ny Paragrafy 22 amin’ ny “Fandinika” eo aloha eo io , dia manosika antsika hiroso amin’ ny fanontaniana hoe : “Nahoana no tsy mba nahitan’ ilay mpamorona ny tenin’ i Eliho ny hevitra hoe : “Ny Fiaretana Misolo ny Hafa” ? Mahagaga izany ! Kanefa ilay Lahateny mafonja milaza ny “Fahorian’ ny Mpanompon’ i Jehovah Hisolo ny Hafa” , ambaran’ ny Mpaminany Isaia ( Isa.53.4-6,8, 12 ) , dia efa vita talohan’ ny andro nahavelomany . Ilay voalaza ny amin’ ny Mpanompon’ i Jehovah dia mety ho anjaran’ ny mpanompon’ Andriamanitra rehetra hatrany hatrany . Ny tena mazava amintsika , di any fahitana ny zava-niseho teo amin’ “Ilay Havoana atao hoe Kalvary” , raha ny “Tompon’ ny Aina” no “Nijaly indray mandeha noho ny ota , ny Marina hamonjy ny tsi-marina , mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra” ( I Pet.3.18 ) .

            Mbola lalàna velona mandrakankehitriny izany , k any marina tsy maintsy misolo ny tsi-marina , ary ny anankiray dia manolotra ny ainy hamonjeny ny maro ( Mar.14.24 ) . Ny lalana izay efa nodiavin’ i Jesosy Kristy , no tsy maintsy hodiavin ‘ ny mpanompony . Izany hoe : ny fahafahan’ ny mino dia hita ao anatin’ ny fijaliana koa . Tsy noho ny fahamarinany, fan oho ny fitiavan’ Andriamanitra ny olombelona . Raha mila hanadino ny fiàsan’ Andriamanitra ny olona , dia tokony hangina kely ka hitodika ao amin’ izay nataon’ i Jesosy ho azy .

            Eto am-pamaranana ary, dia mbola averintsika ihany ilay fanontaniana tary aloha hoe : “Moa tsy fanantenan-javatra va no itiavan’ ny olona an’ Andriamanitra ?”

            Raha tena tia an’ Andriamanitra amin’ ny fitiavana tsy mitady valiny ny olona , dia izao: “Ny Marina Hahita Fifaliana” , fa tsy mba izao kosa “Ny Marina Hahita Fahoriana” .

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site