Dingana nataony

Encrier

Pin drapeau madagascar 1121Talohan'ny nidirany tamin'ny toerana fanomanana mpitandrina dia nisahana andraikitra teo anivon'ny sous préfecture-n'Andranomanelatra ka niantsoroka ny andraikitry ny Officier d'Etat Civil tamin'izany vakim-paritra izany izy, rehefa nahavita ny fianarany ambaratonga faharoa ka nahazoany ny Baccalauréat première sy deuxième parties tao Antananarivo, nandritra ny taona maromaro.

Tonga ny antson'ny Tompo; nilaozana ny andraikitra ara-panjakana ka niroso tamin'ny fiantsoan'ny Tompo izy.

Nanomboka ny fianarana tao amin'ireo Sekoly Fanomanana Mpitandrina (Tsarahonenana - Arivonimamo) sy kolejy teolojika (Ivato - Antananarivo) teo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (F.J.K.M.). Ny tanjona moa dia ny ahazoana ny baccalauréat en Théologie. Araka izany dia nivoaka ho mpitandrina izy taorian'ny fianarany. Nisahana ny raharahan'ny Prezidà Synodaly tany amin'ny faritra andrefan'Antananarivo (Soavinandriana, Ankisabe, Mananasy, ...) ary nisahana fitandremana miisa 50 mahery teo amin'ny sahan'ny F.J.K.M. ihany.

Taorian'izay dia niroso teo amin'ny sehatry ny fifandraisana (communication) izy ary nitana andraikitra momba ny fampianarana soratra masina ampitain-davitra tao amin'ny Radio Feon'ny Filazantsara an'ny Fiangonana Loterana Malagasy (F.L.M.) tao Antsirabe.

Nanomboka teo dia nisokatra ho azy ny lalana ho amin'ny fivelarany amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Tao ny fahazoany vatsim-pianarana amin'ny fandalinana ny teny Anglisy tany Addis-Abeba (Ethiopie).

Ny fandalinana ny momba ny fandaharana radiophonique tany Seychelle.

Ny fiofanana momba ny fampianarana ampitain-davitra amin'ny fampielezana ny Filazantsara (Soratra Masina) amin'ny alalan'ny radio tao amin'ny Radio Voice Of the Gospel (R.V.O.G) Addis Abeba (Ethiopie). Nanomboka nahazo vatsim-pianarana tany ivelany momba ny Théologie izy nanomboka teo.

Nisesy izany fianarana sy fandalinana ary fikarohana tany ivelan'ny Madagasikara izany.

Nahazo ny marim-pahaizana maro samihafa izy tamin'izany: Licence, Maîtrise ary ny Doctorat en Théologie.

Teo koa ireo fikarohana maro samihafa momba ny Communication sy ny Islamologie.

Taorian'ireo sehatry ny fandalinana sy ny fikarohana ireo dia niroso tamin'ny asa fampianarana izy na teo amin'ny fanomanana ara-teolojika izany na fianarana ankapobeny.

Avy eo dia nisahana ny andraikitra amin'ny maha-Tonia (Secrétaire Général) ny Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (F.F.P.M.) nandritra ny folo taona izy.

Nitety firenena maro tany ivelany izy tam’izany: amerika avaratra, Canada, Frantsa, alemaina, Angletera, Norvezy, Belgika, Soisy, Inde,Hong Kong, Australia, Maurice, La Réunion, Tchad, Caméroun, Afrika Atsimo, Egypte, Israely, Kenya, Etiopia, Tanzania, Mozambika, …

Taorian'izay vao nisahana fitandremana mandra-pisotro ronono azy. Na dia misotro ronono aza izy ankehitriny dia mbola misahana hatrany fitorianteny, famelabelaran-kevitra ary fifanakalozan-kevitra amin'ny sehatra maro eto an-toerana.

Maro koa ny asa soratra sy voka-pikarohana nataony ka ezahana ny hamoahana azy amin'itony tranokala itony.

Ny Voninahitra dia ho an'Andriamanitra irery ihany!

 -==o0o==-

Chandelier 1

Pin drapeau frAprès avoir eu son Baccalauréat première et deuxième parties (ancien regime) à Antananarivo, Capitale de Madagascar, il exerça la fonction en qualité d'Officier d'Etat Civil dans la sous préfécture d'Andranomanelatra, une circonscription située à une dizaine de kilomètre d'Antsirabe; un poste qu'il occupa pendant quelques années.

La vocation sacerdotale eut frappé à sa porte. Moment difficile pour lui de quitter cette fonction d'Administrateur territorial du temps de la première République Malagasy.

Il a commencé sa formation dans une Ecole Théologique (Tsarahonenana - Arivonimamo) de la F.J.K.M. pour devenir Pasteur. Ensuite il a continué ses études au Collège Théologique Miray Ivato encore de la F.J.K.M. (Antananarivo) où il a obtenu le Diplôme de Baccalauréat en Théologie.

Ensuite, il occupa la fonction de Président Synodal de la partie ouest de la provence d'Antananarivo qui rassemble en tout plus d'une cinquantaine de paroisses de la F.J.K.M. éparpillées partout comme Soavinandriana, Ankisabe, Mananasy, .... pendant quelques années.

Puis, il retourna à Antsirabe où il s'est lancé dans la communication dans un Département issu de l'Eglise Luthérienne de Madagascar (F.L.M.), la Radio Feon'ny Filazantsara (Radio Voix de l'Evangile). Il se fut chargé de la programmation et de la plannification de l'étude et émission radiophonique de la Sainte Ecriture.

Il fut temps alors d'ouvrir pour lui la grande porte vers l'extérieur.

Il y eut des bourses d'étude de la langue Anglaise à Addis Abeba (Ethiopie) pendant une année.

Puis bourses pour la formation en Information et Communication radiophonique pendant quelques mois à Seychelle. 

Enfin, les quelques année consacrées par les études et recherches sanctionnées par des Diplômes: Licence, Maîtrise et Doctorat en Théologie dans différentes Universités d'Afrique et d'Europe. Puis des recherches sur la Communication et l'Islamologie.

De retour au pays, il commença par l'enseignement de Théologie et des matières dans les enseignements généraux. Puis il fut appelé à servir l'oecuménisme et fut élu comme Secrétaire Général de la Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar (F.F.P.M.) poste qu'il occupa pendant une dizaine d'années.

Il fut élu également comme Vice-Président du Conseil des Eglises de Toute l'Afrique (C.E.T.A) ayant comme siège Addis Abeba (Ethiopie). Il voyagea beaucoup du nord au sud, de l'est à l'ouest partout dans le monde (U.S.A, Canada, Hong Kong, Inde, Australia, Belgique , Suisse, France, Grande Bretagne, israël, Caméroun, Sénégal, Afrique du Sud, Ethiopie, Kénya, Egypte, Tchad, ...).

Quelques années avant sa retraite, il fut Pasteur d'une Eglise Luthérienne à Antsirabe. Et il a pris sa retraite. Malgré sa situation, il continue toujours ses prédications, ses recherches et conférences que ce soit en matière de Théologie, soit en Communication.

Que Dieu lui donne encore la force d'en continuer davantage.

Seul Dieu a la Gloire Eternelle!

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site