Teny Fampidirana

                Rouleau hebreu                           

NY FITENY HEBREO   

                           

 1.- Teny Mitarika. :

Toy ireo Soratra tranainy ,  Sinoa ( tany Chine sy ny faritra maro nanodidina azy)  sy ny Hyéroglyphes ( tany Egypta sy ny mpifanolo-bodirindrina taminy ) ,, tany ho any amin’ny Taona 3300  hatraty amin’ny Taona 3100  talohan’i Kristy, ary tahatahak’ izany koa ny Soratra Hebreo taty aoriana lavidavitra noho ireo Firenena roa noraisintsika ho ohatra ireo ,  dia tamin’ ny Kisarisary naseho ho Litera tsirairay, no fanombohan’ny fahafantarana  ny hevitra sy dikan ‘ izy ireny, fa tsy tamin’ny alalan’ny feo na ny maha-teny azy toy ny ankehitriny tsy akory.

Tany am-piandohany mantsy, dia tamin’ny alalan’ny kisarisary no nanehoana izay tian-kambara tamin’ny resaka sy teny natao hifaneraserana

Ireny endri-tsoratra ireny no nanehoana ny anaran-javatra, na biby,  na fitaovana  hoenti-miasa. Fa, taty aoriana ela kosa, ireny endri-tsoratra an-kisary ireny, no niantombohan’ny endri-peo naloaky ny vavan’olombelona sady nentina nifaneraserana akaiky, hoy isika teo aloha.

 2.- Ny Tontolo nisy ny Fiteny Hebreo.

 Raha mandalina ny tontolo isehoan’ny Fiteny Hebreo isika, dia tsy maintsy apetraka amin’ireto Foto-kevitre telo ireto izy:

21.Ny Hebreo sy ny Fiteny Biblika.

22.Ny Hebreo sy ny Fiteny Semitika.

23 Ny Loharano Iombonan’ny Fiteny.

              21. Ny Hebreo sy ny Fiteny Biblika:

             Tahirin-kevitra Kananeana tranainy maromaro, no nifanindran-dalana tamin’ireo Soratra nanoratana ny Boky Masina (Baiboly), ka antsoina mandrak’ankehitriny hoe HEBREO.

            Nandritry 1000 Taona teo ho eo, dia Fiteny nampiasain’ny vahoaka Jiosy ny Hebreo. Fa tato aoriana kely, noho ny fitsofohan’ny Fiteny Kananeana tao anatiny, izay zary fitenin’ny vahoaka , indrindra ny mponina tao Jerosalema renivohitra, no nahamafy orina azy ho zary “Fiteny Ara-pivavahana”.

            Hatreo dia niova ho “Fitenin’ny Olon-kendry sy Manam-pahalalana” izany, ary zary “Fiteny Manokan’ny Raby koa”. Ny mahazendana kely dia tsy firy intsony amin’ny taranaka Jiosy, no mahay azy, noho izy voasolon’ny “YIDDISH”.

            Na eo aza izany fiovaovana izany, dia tsipihintsika tsara, fa izany ihany no Fiteny Nampiasaina sy Nanoratana ny Baiboly, ka tsara ny mianatra azy.

              22. Ny Hebreo sy ny Fiteny Semitika:

             Marihina sahady eto am-piandohàn’ity Vanin-dahatsoratra faharoa ity, fa tsy dia ela nanahoana loatra ny fotoana nanombohan’ny “Fiteny Semitika”. Taloha mantsy, ny Mponina nanodidina iny Ranomasina Mediteranea iny ka hatrany Eofrata, Mesopotamia, Arabia manontolo, dia tsy niteny afa-tsy fiteny iray ihany. Araka ny Tantara mantsy, dia Mponina iray ihany  ny Syriana, ny Babyloniana, ny Arabo, ny Fenisiana ary ny Hebreo, ka “FITENY SEMITIKA” no fiteny niombonana izay nitenenan’izy rehetra. Izany Fiteny Semitika izany taty aoriana no nantsoina koa hoe “FITENY TATSINANANA”.

            23. Loharano Iombonan’ny Fiteny:

             Lazaina amin’ity Vanin-dahatsoratra Fahatelo ity, na mbola hohalalinintsika amin’ny Fandalinana ny Matoanteny aoriana kely aza, dia  Loharano Fototra Iombonana, izay mampisongadina ny Fiteny Semitika, ny “ LITERA  TELO “, na “ RENIFEO TELO “, izay tsy hafa fa “ FOTOTENY “ no iainan’ny Sampan-teny rehetra. Raha arafitra aminy ny Zanapeo Telo  “a” , “i” , “u” fototra amin’ny Fiteny Semitika, izay samy ahitana Zana-peo Fohy na Lava. Ary raha ampiasaina ny “Tovana”,  na  “Tovona”  sasantsasany ka atao Verindroa ny Reni-feo faharoa, dia miforona sady azo avyamin’izany ny “Teny rehetra”.

            Koa satria Fiteny Hebreo no halalinintsika amin’ity Gramera ity, dia aoka ny Arabo Klasika ( misy itovizany be amin’ny Litera Hebreo ), no ataontsika ohatra, izay hampiharihary amin’ny rehetra io fitoviana io. Aoka ange  horaisintsika amin’izany ny Fototeny K.T.B. (amin’ny Hebreo io = Manoratra).

            Mandra-piditra amin’ny Tena Lesona, dia aoka aloha Transcription no ampiasaintsika anaovana ohatra eto :

KATABA  + Nanoratra izy . Eto izy dia Infinitif, no 3°pers. du singulier (Rehefa amin’ny tena lesona isika, dia tsy hampiasa ny teny vahiny toy ireo intsony)

KUTIBA  =  Passif amin’io KATABA io ny eto.

KATIB  =  Participe Présent Actif izy eto = Ilay Nanoratra, ilazana Mpitan-tsoratra. (KUTTAB = pluriel).

KITAB  +  Singulier = Boky ( KUTUB  =  Boky Maro).

TAKATABA  =  Mifanoratra. Ny fampiasàna azy amin’ny Pluriel ka Tovonana « TA » dia milaza verbe reciproque.

‘AKTABA  =  Causatif izy rehefa Notovonana ny «  ‘A «  =  Mampianatra Manoratra olon-kafa

‘ISTAKTABA  =  Désidératif izy rehefa Notovonana  « ‘ISTA » 

MAKTAB  =  Ny Tovona « MA » eto dia ilazana toerana, na anaran-toerana iray = Birao, Toeram-panoratana. Ny MAKTABAT  dia Fitoeram-boky, na Toeram-pamakiam-boky.

 FANANTITRANTERANA:

a)- Ny Fototeny asehon’ny Litera Telo, dia Tsy maintsy Renisoratra na Renifeo .

b)- Ny Zanatsoratra na Zanapeo kosa, ny antom-pirafetany amin’ny Renitsoratra, dia fampiharihariana ny fiovan-kendri-pitenenana amin’io Teny Fototra io. Ny Zanapeo mantsy, na dia ambanimbany kokoa noho ny Reni-feo azan y  lanjany, dia mbola izy hatrany  no tena Mpamorona ny “HASIM- PEO”.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site