Savaranonando

Drapeau israel  

             1.- Teny Mitarika.

             Raha iverenana eto ny tenin’i Martin Lotera, Mpanitsy Fivavahana , tamin’ny taon-jato faha-16, momba ny “Ny Soratra Masina Irery Ihany” (Sola Scriptura), na "Fiverenana hatrany amin’ny Tenin’Andriamanitra", dia tsy ho feno, sady tsy ho voaaro izany rijan-kevitra teolojika izany, raha tsy ao ny fahaizana amam-pahalalana ny Teny Fototra nanoratana ny Baiboly :

- Hebreo ho an’ny Testamenta Taloha.

- Grika ho an’ny Testamenta Vaovao.

  Arak’izany ary, dia tena ilaina ny Fianarana sy Fandalinana ny HEBREO, indrindra raha vonona ny handalina marina ny BAIBOLY na iza na iza, mba tsy hahatalatsaka ao anatin’ny fanaovana dikanteny diso, satria raha diso ny dikanteny, dia diso koa ny Toriteny atao, ary dia ho diso toy izany koa ny handraisan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny Teniny. Noho izany, dia tena ilaina nyhahaizana ny Gramera Hebreo. Ka herezo ary!

Chandelier

             2.- Antony Nanoratana ity Gramera Hebeo ity.

             Antony vitsivitsy no nanery anay hanoratra ity Gramera ity:

                        1965-1967 : Nafana ny adi-hevitra nifanaovan’ny Mpianatra tamin’ny Profesora Razafindranary, nampianatra ny Testamenta Taloha, tao amin’ny Kolejy Teolojia Miray, Ivato, Antananarivo, mahakasika ny tokony ho fiantso ny anaran’Andriamanitra, na ho JEHOVAH (Protestanta), na YAVEH (Katolika), na ADONAI; Nisy ny fisarahantsaina tamin’izany, na teo amin’ny Mpampianatra sy ny Mpianatra, ary teo amin’ny samy Mpianatra.

            Amin’ny naha-mpianatra ny tena tamin’izay dia tsy mora velively ny nampanaiky anay mora foana, fa izay nambaranay kosa, dia ny hoe “avelao aloha izahay hilofo sy hianatra ary handalina vao hanambara ny tena hevitray main’izay TENA MARINAsy MAHITSY? ary hanary kosa  izay tsi-izy.

                        1967-1969 : Nanano-sarotra ny fahitana Rakibolana Hebreo hanampy tamin’izany amin’ny fandinihana ny HEBREO, izay Teny Fototra  Noho izany, dia voatery izahay nanao andrana Rakibolana Hebreo-Malagasy ( mitohy ity asa ity fa tsy mbola tomombana). Sady natao handalinana ny Hebreo izany, no hanampy koa ny olona mampiana-tena. Ny tena nokendrena aminy dia tsy fanehoana dikanteny fotsiny, fa sady fandrasàna ny teny tsirairay koa, satria izany no tena maha-zava-dehibe ny Gramera Hebreo aroso ho anareo eto.

                        1970-1976 sy 1979-1981 : Raha Mpiasan’ny Radio Feon’ny Filazantsara ( Niova ho Foibe Loterana momba ny Fifandraisana taty aoriana)  ny tenako dia nisy solontena nirahina nanatona tao amin’ny Birao (Andranomadio Antsirabe). Nanaiky ny fiangaviana aho, dia nampianatra manokana ny Hebreo ireo Mpitondra Fiangonana vitsy (6 tamin’izay) sy Mpianatra teolojia avy ao amin’ny Seminery Teolojikam-paritany, Atsimoniavoko Betafo. Intelo isan-kerinandro no nolaniana tamin’izany nanampiana ireny Mpanompon’Andriamanitra ireny.

            Tmin’ireo taona vitsy ireo no nahitako voalohany ny fomba vaovao hahaizan’ny Mpianatra sy Mampiana-tena ity Fireny ity ao anatin’ny Herintaona raha ela indrindra, amin’ny fomba faran’izay tsotra kanefa feno sady voafehy tsar any Hebreo. Mahagaga izany! Nefa tena mahomby!

                        1981-1983 : Niandraikitra ny Fiofanan’ny Mpianatra Teolojia tao Ivory-Avaratra Fianarantsoa, ny tenako,no sady nampianatra Taranja hafa koa, toy ny Teolojia Pratika, Sosiolojia, Filozofia, ary Grika ho an’ireo Pastora vitsy handeha hampianatra tany amin’ny Seminery Teolojikam-paritany sasany: Ambatofinandrahana, Bezaha, Atsimoniavoko, sns,

            Nisy fiangaviana lehibe nataon’ny Mpianatra nanomezana ho azy ireo fianarana ny Hebreo, izay natao an-tselika ivelan’ny ora fianarany, ho famenon’izay natolotry ny Profesora Rakotoarivony 

            Tamin’ireo taona ireo koa , rehefa niangavy anay, ny Profesora Andriamanamihaga Roger, Talen’ny Kolejy Teolojikan’ny FJKM Amboniavaratra, Fianarantsoa, mba hampianatra feno ny Testamenta Taloha ( Hebreo, Fitarihan-teny, Heviteny ary Teolojia ), dia nezahinay manokana tamin’izay ny tsy maintsy hahaizan’ny Mpianatra ny Taranja Hebreo. Namafisnay tamin’izany, far aha tiana ny hahamarim-pototra ny fandalinana ny Testamenta Taloha sy ny Teolojia raketiny, dia vato fehizorony ny fahaizana ny Hebreo.

            Tombontsoa lehibe maro no ho azo avy amin’izany:

- Mampitombo fitiavana hamaky sy handinika ny Baiboly.

- Mahatonga ny famoahana ny Hevitry ny Baiboly ho marina sy madio.

- Mahatonga ny dikan-teny hazava tsara mba hialàna amin’ny dikan-teny diso ataon’ny mpandika sasany.

- Mahatonga ny dikan-teny ho Heviteny sahady hialàana amin’ny Heviteny tsy ara-tSoratra Masina.

            Ary raha Mitoriteny ny Mpianatra, ka naompana tamin’ny Teny Fototra ny fanomanana izany Toriteny izany, dia ho Marina sy Madio ny Toriteny, arak’izay efa nolazaintsika teo aloha hoe: “ Ho marina koa ny handraisan’ny Kristiana itoriana izany, ary dia ho marina koa ny hampitàn’ny mpihainoao am-piangonana azy amin’ny Kristiana namany izay tsy tonga nihaino izany tao am-piangonana, sns, sns.”.

             3.- Ny Fiteny Hebreo.

Torah

Horonana Torah, isan'ny tranainy

             Ambaranay eto, fa tena fahadisoan-kevitra mihitsy ny milaza fa sarotra ny mianatra ny Hebreo. Ny Gramera amin’ity fiteny ity, no anisan’ny mora indrindra raha ampitahaina amin’ireo fiteny tranainy maro. Ary ny Voambolana aza raha tsy adino ny Teny Fototra aminy, dia tsy sarotra velively ny mitahiry azy.

            Ka ho an’izay manana finiavana ny hamerimberina sy hampihatra azy matetika amin’ny fotoana raikitra dia volana roa ambin’ny folo (herintaona) raha ela indrindra dia ampy hahaizana mandika teny maromaro avy amin’ny Testamenta Taloha, indrindra moa fa raha hay tsar any Gramera.

            Ny Gramera Hebreo atolotray izao, dia vokatry ny fizàrana sy fanandramana efa natao an-taonany maromaro. Tsotra tokoa izy ity! Ny antony ! Tsy tianay ny niditra lalina tamin’ny lafiny teorika mety hahavery lalana izay vonona ny handalina.

            Noho izany, dia tsy natokanay velively hanomezana fahafaham-po ny saina tia karokaroka sy fandalinana siantifika ity Gramera ity, fa natokanay kosa ho an’ny olona mampiana-tena sy ny tsy eo anilan’ny Mpampianatra.

            Toy ny sakafo tsy saro-devonina velively ho anao izao ka hararaoty ary ê!

            Ny ezaka nataonay ary, dia ny hanolotra Gramera sy Rafitra mazava tsara, izay sady tsotra no mora tahirizina nefa koa tsy sarotra ampiharina velively.

            Hamafisinay tsara eto, fa ny fotoana maro namadibadihanay sy nandalinanay azy,  no maneho ny vokatra tena mahomby amin’ity fomba manokana narahianay ity.

            Lesona 24 no atolotray ho an’ny Mpianatra te-handalina. Izany hoe, Lesona iray isan-tapabolana mandritry ny Herintaona anie izany ê ! Ka ahoana hianao !

            Fohy loatra ny Herintaona raha ny fianarana ny Hebreo no heverina ! Ka ho ampy ve izany ? Ampy no avalinay izany, raha eken’ny Mpianatra ny hanaraka ny Lesona iray isan-kerinandro mandritr’ireo 51 Herinandro tondroinay ireo. Lesona iray azonao atao tsianjery isan’andro amin’ny andro fito. Izany kosa ve dia tsy hahaizana azy ê !

             4.- Ireo Gramera mety Hanampy ny Mpianatra.

                         41. Tsotra indrindra:

AUVRAY,Paul : Initiation à l’Hébreu Biblique, Précis de Grammaire – Textes Expliqués -  Vocabulaire, Desclée & Cie, Tournai(Belgique) – Paris – Rome – New York,1955,270p.

YATES ? Kyle M. : Essentials of Biblical Hebrew. Broadman Press, Nashville, Tennessee, USA,1938.

                         42. Antonontonony:

DAVIDSON, A.B. : An Introductory Hebrew Grammar, With Progressive Exercises in Reading, Writing and Pointing, 34°Ed., New York, Charles Scribner’s Sons. Great Britain, 1932, 236p.

TOUZARD,J. : Grammaire Hébraïque Abrégée, Nlle Ed. Refondue par A.ROBERT, Paris Librairie Lecoffre, J.Gabalda & Cie, Editeurs, 1964, 114p.&Paradogmes, 36p.

                         43. Efa Lalina :

DAVIDSON, A.B. : Hebrew Syntax, 3rd Ed. Edinburgh.T.T.Clark, 38 George Street, Great Britain, 1950, 233p.

JOÜON, R.P.Paul, S.J. : Grammaire de l’Hébreu Biblique, 2°Ed. Institut Biblique Pontifical, Rome (Plazza de lla Pilotta) 1047, 542p. & Parad./Index, 79p.

KAUTZSCH, E. – COWLEY,A.E. : Gesenius’Hebrew Grammar. Oxford at the Clarendon Press, 1957, 598p.

             5.- Ireo Diksionera Tena Ilaina:

BAUMGARTNER, Koehler: Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leiden E.J.Brill, 1958.

BROWN, Francis ; DRIVER, S.B. ; BRIGGS, C.A. : Hebrew and English Lexicon of  the Old Testament.  Oxford at the Clarendon Press, 1959.

DAVIDSON, Benjamin : The Analytical Hebrew and Chaldee Lexicon. Samuel Bagster & Sons Ltd, London  EC4.

             6.- Ny Baiboly Hebreo Tena Tsara:

  RUDOLPH KITTEL : Biblia Hebraica. Stuttgartiae, Privileg Württ. Bibelanstalt, 1949.  

             Santionam-boky ihany ireo, fa azon’ny Mpianatra sy ny Mpandalina atao tsar any mandinika izay Gramera maro hita fa hanampy amin’ny fandalinana ny Hebreo. Maro isafidianana izy ireny, ka aoka tsy hisalasala amin’ny fampiasana azy       

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site