Ny Abidia sy ny Feo
NY ABIDIA
הבירו
Habiru
/ ' ק ר א ט ו ן ם פ ] [
$ ^ p o i u y t r e z a
ש ד ג כ ע י ח ל ך ף , \
* u m l k j h g f d s q
ז ס ב ה נ מ צ ת ץ .
! : ; , n b v c x w
Fanazavana Mialoha :
Mahazatra ny Mpanao Gramera rehetra amin’ny Fitenim-pirenena maro, anisan’izany isika raha manoratra Gramera Malagasy, dia tsy maintsy ny Renisoratra aloha no atao Voalohany vao maneho ireo Zana-tsoratra.
Nisafidy kosa haneho Voalohany ny Zana-tsoratra ny tenako, vao miroso amin’ny Reni-soratra, noho ity farany ity ilàna fanazavana sy famelabelarana bebe kokoa mba hahamora ny lamina eo amin’ny fandalinana tian-katao
NY ZANA-TSORATRA
Hatrany am-piandohàna, dia tsy nisy velively ny Zana-tsoratra teo amin’ny Fiteny Hebreo. Tsy hita tamin’ireo Baiboly tranainy izany, satria ny tenin’ny vahoaka Hebreo koa, toy ny fiteny rehetra, dia nizotra tsara, ka rehefa nanoratra aza izy ireny, dia ny Reni-soratra hatrany no hita tamin’ireny horonan-taratasy, na horonam-boky tranainy ireny.
Taty aoriana lavitra, tokony ho tamin’ny Taon-jato faha-7 , na taloha kelin’io, amin’izao taona misy antsika izao, vao nampidirina hifanindran-dalana tamin’ny “Reni-soratra” ireny kisarisary antsoina hoe “Zana-tsoratra”ireny, mba hahamarim-pototra ny famakian-teny, satria mifangaro ny famakiana azy, ka mety handiso ny dikany sy tsy hahamarina ny hanononana azy
Efa nambara teo aloha, ary hamafisina eto indray, fa noho ny tsi-fisian’ny mari-pamantarana
ao amin’ny Abidia Hebreo ao amin’ny Ordinatera Windows 7 nanomanana izao Gramera izao, dia lazaina ihany ny Anaran’ireny mari-pamantarana ireny, izay hameno azy amin’ny Reni-soratra, hahamora ny famakiana azy, fa hampiasa ny Transcription isika izay hanampy be dia be ny Mpianatra, indrindra izay rehetra mampiana-tena tsy eo anoloan’ny Mpampianatra. Toro-hevitra tsotra no atolotra anao, dia izao: Ataovy an’eritreritra hatrany hoe: mahita ireo mari-pamantarana ireo ‘Ianao, dia araho hatrany ny fandriny sy fizotrany isaky ny manao fanazavana an-tsoratra aminao ny tenako, dia hizotra tsara tsy misy manelingelina anao ny fanohizana ny sisa rehetra.
Indreto ary ireo Zana-peo na Zana-tsoratra ireo:
Qâmets = â = Lava, mirirotra kely ny fanonona azy. Toy ny “ T “ reni-soratra izy ao ambanin’ny Reni-soratra. Ohatra: דבר. = Dâbâr = Teny, Fitenenana. Hita eo ambanin’ny Renisoratra roa izy eto, dia eo ambanin’ny : “ ד “ Daleth sy ny “ ב “ Beyth .
Patah = a = Fohy, tsy atao ela ny fanonona azy . Toy ny “ - “ tsipika, na tsipi-panohizan-teny eo ambanin’ny Reni-soratra no misy azy. Ohatra : בת = Zanakavavy na Zazavavy (ankapobeny )
Tseré = e = Fohy , hafainganina ny fanonona azy. Toy ny “ .. “ , teboka roa mifampitohy hita ao ambanin’ny Reni-soratra iray izy. Ohatra : “ שם “ = Anarana . Eo ambanin’ny “ ש “ = Shin no misy azy eto.
Ségôl = é = Lava , mirirotra kely nefa tsy ela ny fanonona azy . Toy ny Triangle kely ireo endriky ny Teboka eo ambanin’ny Reni-soratra. Ohatra : מלך = Mpanjaka. . Eo ambanin’ny « מ « Mem sy ny « ל « Lamedh, no misy azy eto.
Hirik = y = Lava , somary mitatra sy mirirotra kely ny fanonona azy . Teboka “ . “ kely eo ambanin’ny Reni-soratra no misy azy. Fa ny mahatonga azy mirirotra kely dia ny fisian’ny Yodh “ י “ ao anatin’ny Teny iray misy azy. Ohatra : קיר = Qiyr = Rindrin-trano. Eo ambanin’ny Qôph “ ק “ izy, ary arahin’ny Yodh “ י “.
Hôlem = ô = Lava. Teboka “ . “ eo ambonin’ny Wav, na Vav “ ו “ no misy azy Ohatra :
“ מות « = Môth = Maty, na Fahafatesana..
Qâmets-Ratouph = o = Lava ihany koa. Toy ny endriky ny « T « Reni-soratra izy ary eo ambanin’ny Reni-soratra no misy azy. Eto izy dia tononina “ o” fa tsy “ a “ toy ny efa nolazaintsika teo aloha hoe Qâmets. Ohatra : רחבו = Rôh’bô = Ny Sakany ( ilazana sakan-javatra iray ) Eo ambanin’ny Resh “ ר “ Resh no misy azy eto
Shoureq = û = Antonontonony ny halavany eto. Teboka “ . “ iray tsy maintsy miaraka eo Anivon’ny Wav izy . Izany hoe tsy eo ambaniny na eo ambonin’ny “ ו « no misy azy, fa mirafitra aminy eo anivony, eo antehezany. Tononina “ ou “ (Frantsay) izy Ohatra: מות =Mouth = Maty (Matoan-teny izy eto).
Qibbouts = u = Lava. Teboka Telo Midina-Mihoriran-kavanana ny Kisariny Tononina “ou” (Frantsay) izy fa saingy mitatra kokoa ny fivoahan’ny Rivotra avy amin’ny Vava. Ohatra:
שלחן = Shoul’ran = Latabatra Fisakafoana. Eo ambanin’ny Shin “ ש “ Shin no misy azy.
Fa misy sokajin-janatsoratra tsy dia fampiasa matetika loatra, kanefa ilaina ihany amin’ny fotoana sasany. Misy telo izy ireo no hodinihintsika, na misy vitsivitsy aza izy ireny ( izay andalovantsika aloha izao fa haseho ihany amin’ny fotoana tena liana azy ). Izy ireto no ambonimbony kokoa raha ampitahaina amin’ny sasany:
- Shêvâ.
- Dâghêsh.
- Mappîq.
Shevâ = e = Tsy mitovy amin’ny Tseré na ny Séghôl eto ny Shevâ, fa mitovy kosa amin’
Ny “ e “ Moana amin’ny Fiteny Frantsay. Raha ny tokony ho izy aza, dia toa Rivotra fotsiny no mivoaka avy amin’ny vava, ka toy ny tsy manonona na inona na inona akory. Teboka roa mitsotsorika (midina) eo ambanin’ny Reni-soratra iray izy, fa ny mampiavaka azy fotsiny dia izy “Moana”, kanefa dia tena ilaina amin’ny fanononana Teny iray. Ohatra : קטלה = Qât’lâh = Eo ambanin’ny “ Teth “
“ ט “ no misy azy.
Dâguêsh = . = Teboka kely mitsofoka amin’ny Reni-soratra, hanamafisana ny tanjaka sy herin’ny herin’ny Reni-soratra iray rehefa manonona azy Misy Enina ireo Reni-soratra itsofohany ireo, dia ireto avy izany ב , ג , ד , כ , פ , ת = Beyth , Guimel , Daleth , Kaph , Pé (Phé), Thav,
Vakina hoe: “ BeGhaD’KePhaTh.. Azo raisina ho ohatra ity: ישפט = Yshpôth . Ao anatin’ny
Pé “ פ “no misy azy eto.
Mappiq = . = Mitovy amin’ny Dâguêsh ihany izy, fa saingy ao amin’ny“Hé” famaranan-teny eto no misy azy. Ohatra : ארצה = ‘Ar’tsâh . Ny “ Hé “ eto dia Roritina sady toy ny Mampandihy na mampangovitra ny Zana-dela.
NY RENI-SORATRA
Amin’ny maha-anisan’ny Fiteny Semitika ny Fiteny Hebreo, na tsy mbola nolazaintsika teo aloha aza, dia “Avy An-kavanana Miankavia “, no fanoratra ny Abidia Hebreo; ary dia toy izany koa ny famaky azy.
Reni-soratra avokoa ny Abidia aminy, afa-tsy ny “ ו « , « Wav » izay mety ho Reni-soratra no mety ho Zana-tsoratra koa. Arak’izany, raha toa ka manana Zana-tsoratra ny Wav, dia satria Reni-tsoratra amin’izay. Fa raha tsy manana Zana-tsoratra kosa izy, dia izy ihany no Zana-tsoratry ny Literz eo alohany
Tononina manontolo araka ny fanoratra azy ny Hebreo. Izany hoe FEO iray isaky ny Litera iray izany.
Miisa 22 ny ABIDIA HEBREO. Asehontsika isaky ny Litera izany, arahin’ny Fanoratra azy, ny Fitovitovizany amin’ny Litera Latina, ary ny Dikan’ny Kisarisariny.
Ka amporisihina mafy ny Mpianatra hanaraka ka hiezaka hitahiry izany hahamora ny fandalinana atao.
א = אלפ Aleph = a = Omby.
Ny “ א “ , dia tsy Zana-tsoratra na Zana-peo, fa Reni-tsoratra. Noho izany, dia tsy azo atao ny manonona azy, raha tsy miaraka amin’ny Zana-tsoratra izy.
Amin’ny ankilany dia Reni-feo An-tenda izy, ka tsy azo halavaina, no tsy azo averina indroa koa.
ב = בית Beyth na Beyz na Veyz = b = Trano.
Ny “ ב “ , dia anisan’ny sokajin-dreni-tsoratra na Rani-feo, manana fomba roa amin’ny fanononana azy, arakaraka ny fisiana na tsi-fisian’ny Teboka “ Daguesh “ ao aminy. Raha tsy misy io Daghesh io mantsy izy, dia tononina hoe : “Beyth”, far aha misy io Daghesh io kosa izy, dia tononina hoe “Vêyth”. Amin’ny fitenin’ny Jiosy andavanandro moa noho ny fisian’ny Yiddish, dia tononina hoe “ Beyz ” raha misy teboka, ary”Veyz “ kosa rehefa tsy misy teboka.
ג = גימל Guîmel na Guim’l = g = Rameva.
Ny “ ג “ , dia anisan’ny sokajin-dreni-tsoratra; na Reni-feo mitovy amin’ny “Beyth”, itsofohan’ny Teboka-Daghesh ao aminy. Atao mafy ny fanonona azy, toy ny fitenintsika Malagasy hoe :”Ganagana” na “Gaga” na “Garagara” (feo).
ד = דלת Daleth = d = Vavaram-be.
Ny “ ד “ , dia mbola anisan’ny sokajin-dreni-tsoratra, na Renifeo mitovy amin’ny “Beyth” sy ny “Guimel”. Tokony ho tononina mafy amin’ny maha “ D “ azy izy, toy ny hoe “Dada” na “Dedaka”, na “Donàka”.
ה = הא Héy h Varavaran-kely
Ny « ה « , dia tononina mafy toy ireo Litera sasany fanonona An-tenda, toy ny hoe « HAmbinin-janahary anie ‘ianao « .
Tononina mafy izy, noho izy ao anatin’ny sokajin-dReni-soratra, na Reni-feo fanonona An-tenda, nefa koa mbola anisan’ny Sokajin-dReni-soratra malemy, toy izay efa nodinintsika teo aloha hoe, sady tsy azo halavaina izy, no tsy azo averina indroa koa.
ו = וו Wav , na Vav ô Fantsika
Ny « ז « , dia anisan’ny Ren-soratra na Renifeo malemy (malefaka). Amin’ireo Litera 22 amin’ny Abidia Hebreo ;dia izy irery no sady Reni-soratra no Zana-tsoratra mahaleotena.
ח = חית Rêyth na Heyth kh Fefy fiarovana.
Ny “ ט « , dia « h « mandrehoka, sady migobona an-tenda. Amin’ireo Litera Malagasy ananantsika, dia tsy misy na iray aza mitovy Feo na mitovy fanonona aminy. Anisan’ny Ren-soratra na Renifeo An-tenda koa izy.
י = יוד ‘ Yôdh y, i Tanana.
Ny « י « , dia anisan’ny Reni-soratra na Reni-feo malemy.(malefaka). Tsindriana mafy, fa tena Reni-soratra hatrany izy, na dia hita aza ny fitoviany amin’ny « Y » ( transcription ) amin’ny famaranan-teny.malagasy ny fanononana azy, toy ny « VerY « na « MaherY « .
כ = כף Khaf na Qôph kh na Qu Felan-tanana
Ny « כ « , dia anisan’ny Sokajin-dReni-soratra na Reni-feo mitovy amin’ny « Beyth « sy
« Guîmel « ary « Daleth « .
- Tononina « K « izy rehefa miaraka amin’ny « Dâguesh « , toy ny amin’ny « Kapoka « , na « Kapoaka " .
- Rehefa tsy miaraka amin’ny « Daguesh « (teboka ao anivony) kosa izy dia mitovy amin’ny « H « mandrehoka, toy ny « CH« alemanina, ka tafiditra ao anatin’ny Sokajin-dReni-soratra na Renifeo « Kheyth « .
Ny tsy tokony hohadinoina dia ny fitaran’ny rambony midina rehefa izy no mamarana ny
Teny iray, araka ity “ ך «
ל = למד Lâmedh l Fanjaitra.
Anisan’ny Reni-soratra na Reni-feo, toy ny rehetra ny « ל « , ka tsy asiana fanazavana lava. Ny fanonon azy dia An-danilany hatrany.
מ = מים Mêym m Rano.
נ = נון Noun n Trondro.
Ny « מ « sy ny « נ « , dia miova endrika, rehefa izy ireo no mamarana ny Teny. Ny « מ « , dia mikambana amin’ny Vatan-tsoratra ny Rambon-tsipika aminy, dia tonga « ם « ,ka antsoina hoe :
« Shlôsh-Meym » izy amin’izay. Ary ny « נ « kosa dia mitatra midina (mitsotsorika midina) ny rambony, ka antsoina hoe « Langer » izy amin’izay.
ס סמך Sâmekh s Hazo Fanao Tohan-trano, sy Zavatra hafa koa.
Toy ny « Lâmedh « , dia Reni-soratra na Reni-feo ny « Sâmekh “ ka tsy asiana fanazavana be loatra.
ע עין Hâïyn na Râïyn h Maso.
Ny « ע « dia « H « Mandrivotra sady Tononina Mafy hoatra ny misy rehoka izany ao ambava. Izy irery, amin’ireo Litera 22, no Reni-soratra na Reni-feo An-tenda. Toy ny tamin’ny
« ח « , dia tsy misy amin’ireo Abidia Malagasy ananantsika no mitovy Fanonona amin’ny « ע. »
פ פא Pêy p Vava.
Toy ireo namany efa nohazavaina teo aloha, ny « מ “ , ny “ נ « , ary ny « כ « , dia miova endrika koa ny « פ « , ka miova midina (mitsotsorika) toy izao « ף « ny Rambony rehefa mamarana ny Teny iray izy, ary antsoina hoe « Langer « .
צ צדי Tsâdey na Tsade ts Firombaka.
ק קוף Qôph q Hatoka , Heringerina.
Amin’ny maha-Reni-soratra na Reni-feo tsy ahitana fiovana firy aminy, ny « צ « sy « ק « , dia hasiam-panazavana hafa ko aizy.
ר ריש Reysh r Loha.
Ny « ר « , dia anisan’ny Sokajin-dRenisoratra na Reni-feo An-tenda, ka rehefa tonga eto hianao, dia tokony hodinhina tsara miaraka amin’ny Litera « א « izy.
ש שין Shiyn na Siyn s, sh Nify.
Ny « ש « , dia mitovy fanonona amin’ny « S « fiteny aty Anivo, na « Sh » toy ny Fitenim-paritra sasany, ohatra « Antesaka ».
Misy fahasamihafana be ny fanonona ny « ש “, ka tokony mihandrona tsar any saina amin’ny fianarana azy, araka izao:
- Ny “ ש “, izay itinginan’ny Teboka eo amin’ny “Rantsany Havanana” dia tononina “Sh”amin’ny Foko Antesaka ohatra.
- Ny “ ש « , izay itinginan’ny Teboka eo amin’ny « Rantsany Havia » kosa, dia tononina « S « amin’ny Fiteny aty Anivo.
ת תן na תו Thâv , Thâou t , th Marika, Famantarana.
Ny « ת « , dia anisan’ny Sokajin-dReni-soratra na Reni-feo, ary tafiditra amin’ny Sokajy
« BeGuaD’KePhaTh ».
NY FEO
Ny Lesona Voalohany hidirantsika, dia handinihana ny
. Ny Vondrom-peo.
. Ny Lantom-peo.
Ny Vondrom-peo:
Amin’ny Fiteny Hebreo, dia ny Vondrom-peo indrindra no irafetan’ny Lantom-peo maro, kanefa na eo aza izany dia azo atokatokana ho Renifeo sy Zanapeo izy.
1.- RENI-FEO
Rijan-kevitra telo no dinihintsika amin’izany:
1.1 - Dinika Ankapobeny.
Misongadina tsar any maha-Renifeo ny Renifeo amin’ny Fiteny Hebreo noho ny:hetsika mirindra sy milamina tsara hita amin’ny andraikita sahanin’ireto Taovam-pamoaham-peo ireto : Havokavoka-Traotraoka-Ati-tenda-Tadim-peo-Tendabe-Tendakely-Angao-tenda-Orona-Lanilany-Vava-Nify ary Molotra.
Samy mahavita ny asany sy manaraka tsara izao soritra manaraka izao izy rehetra amin’ny Famoaham-peo sy Fitenenana ataon’ny olona:
i)- Fenoina rivotra ampy ao amin’ny Havokavoka sy Vavony mba hisian’ny tosi-
drivotra mahery..
ii)- Manomboka mihenjana ny Tadim-peo.
iii)- Mikombona na mihatery amin’izay ny Fara-tenda.
iv)- Mivoaka am-pilaminana ny rivotra voangona.
v)- Ary dia mipararetra sady milantolanto tsara ny Tadim-peo
Ohatra : כ Kaph ר Reysh
2.2 - Fanatsitokotokoana:
Fomba maro no ahazoa-manatsitokotoko ny Renifeo arakaraka ny fivoakan’ny Vondrom-peo:
a)- Fahatry ny Feo:
Raha ny Fahatry ny Feo no raisina ho ohatra Voalohany, dia toy izao manaraka izao ny fiasan’ireo Taovam-pamoaham-peo ambony sy ambany ananan’ny olona.
Hevitra Fito loha no atokantsika amin’ny fandalinana atao.
i)- Reni-feo Antendro-molotra:
Ny Renifeo Antendro-molotra di any Feo mivoaka amin’ny Fanakombonana ny Molotra Ambony sy Ambany, ka ahazoana ny Feo : ב Beiyth sy מ Mem
ii)- Ny Reni-feo Anivo-Nify Roa:
Ny Renifeo Anivo-Nify roa, amin’ny fanokafana moramora ny Molotra, no isehoan’ny Nify anoloana ka itrangan’ny Tendron-dela eo anelanelan’ny Nify Ambony sy ny Nify Ambany, no ahazoana ny Feo: ד Dâleth sy ט Teiyth ary ת Tav
iii)- Ny Reni-feo Antendro-Nify:
Ny Renifeo Antendro-Nify dia mivoaka amin’ny fametahana ny Tendron-dela amin’ireo Nify Ambany anoloana, no ahazoana ny Feo: ד Dâleth ט Teiyth נ Noun ס Sâmek ary ז Zaiyn
iv)- Ny Reni-feo Andohalanilany:
Ny Renifeo Andohalanilany no mivoaka, rehefa mifampikasoka amin’ny Lanilany mifanolotra
Indrindra amin’ny Nify ny Lela. Azo amin’izany ny Feo: ג Guimel ר Reiysh
לLâmedh ז Zaiyn ary ש Shiyn na Siyn
v)- Reni-feon’ny Zana-dela :
Renifeon’ny Zana-dela, no iantsoana ny Reni-feo rehefa mandona ny Fara-Lanilany ny Lela, ary amin’izay no manomboka mipararetra ny Zana-dela. Azo amin’izany ireto feo ireto :
ג Guimel כ Kâph ary ק Qôph
vi)- Renifeo Ampara-tenda :
Reni-feo Ampara-tenda no iantsoana ny Reni-feo iray amin’ny fotoana itenenana, ka mampikasoka ny Zana-dela amin’ny traotraoka ambony. Azo avy amin’izany ny Feo ע Rhaiyn ח Rheiyth
vii)- Reni-feo Antraotraoka :
Reni-feo Antraotraoka no iantsoana ny Reni-feo navoakan’ny Fisokafana sy ny Fikatonana moramoran’ny Andohan-traotraoka. Azo avy amin’izany ireto : א ‘Aleph
ה Héy ary ע Rhaiyn
b)- Fisokatry ny Feo :
Ny Maha-zava-dehibe ity sehatra iray ity, dia noho izy miasa bebe kokoa noho ny tamin’ny sehatry ny Feo, ireo Taovam-pamoaham-peo eo amin’ny olombelona. Hevitra dimy loha no anopanantsika ny fandalinana :
i)- Reni-feo Mikatona na Mipoaka :
Reni-feo Mikatona no iantsoana ny Reni-feo eto, noho izy Mipoaka vetivety sady tsy maharitra fa mikatona haingana. Azo raisina amin’izany:
ב Beyth ט Teyth ל Lâmedh כ Kâph ע Rhaiyn ג Guimel
ii)- Reni-feo Mikasaoka :
Renifeo Mikasaoka no iantsoana ny Renifeo ahitana ny Taovam-pamoaham-peo tsy mikombona tanteraka, fa mihararetra sy mikasaoka moramora. Azo amin’izany ny Feo :
פ Fa na Fe , na Pha na Phe ת Thav ס Sâmekh ש Sin (Shin) ה Héy ז Zaiyn
iii)- Reni-feo An’Orona :
Renifeo an’Orona ny Renifeo nateraky ny fikombonan’ny Vava,, ny fidinan’ny Lanilany ary
Ny Fara-Tenda ambanimbany kokoa, mba hahatonga ny Fofon’aina hivoaka amin’ny Orona.Azo amin’izany fihetsehana izany ny Feo : מ Meiym נ Nun
iv)- Reni-feo Mikoriana :
- Renifeo Mikoriana no iantsoana ny Renifeo, ahitana ny Feo misosa tsy voaelingelina noho ny Lela sy Ati-vava mamela ny Rivotra handeha malalaka. Azo amin’izany ny Feo :
ל Lâmedh ר Reiysh
v)- Reni-feo Mandrivotra :
Renifeo Mandrivotra no iantsoana ny Renifeo nateraky ny Fisokafan’ny Taovam-pamoaham-peo midanadana handalovan’ny Fofon’aina. Azo amin’izany ny Feo : ע Rhaiyn ח Rheiyth na Reiyth
d)- Ny Lantom-peo :
Endri-pahasamihafàna hafa kely , tsy haritra amin’ity Dingana Fahatelo ity, raha ampitahaina tamin’ireo Dingana Roa nodinhintsika teo aloha teo. Hevitra Roa ihany no hifantohan’ny fandalinantsika eto:
i)- Reni-feo Migobona :
Renifeo Migobona no iantsoana ny Renifeo izay mahatonga ny Tadim-peo mihararetra. Azo amin’izany ireto Feo ireto: Beiyth na Veiyz na Beiyz ב Daleth ד Guimel ג Lamedh ל Meiym מ Nun נ Reiysh ר Vav ו ‘Yodh '
Zaiyn ז
ii)- Reni-feo Mitrona:
Renifeo Mitrona no iantsoana ny Renifeo nateraky ny fiàsa-mafin’ny Taovam-pamoaham-peo, dia ny Traotraoka sy ny Angoan-tenda izany. Azo amin’izany ny Feo: ע Rhayin ח Rheiyth .
2.- ZANA-PEO
Fanamarihana Lehibe Mialoha:
Amin’ny Litera Hebreo ato amin’ny Ordinatera Windows 7, dia Renisoratra avokoa no misy, fa tsy nampidirin’ny Orinasa Mpanao azy ao kosa ny Zana-tsoratra, ary dia mazava fa tsy misy fomba hanazavantsika azy rehefa miresaka “Zana-peo”. Noho izany, rehefa miresaka zana-tsoratra isika, dia amin’ny fomba Transcription no ho hitanareo Mpianatra sy izay manaraka ny Fampianarana. Isaorana mialoha hianao manaiky handray izany Fanamarihana Mialoha izany.
Ny mampiavaka manokana ny Zana-peo, dia izy tsy ahitana sakantsakana manelingelina ny Taovam-pamoaham-peo, fa misosa mora foana ny fivoakan’ny Fofon’aina.
Hevitra telo no ifotoran’ny fanazavana:
21. Fahatry ny Feo:
Amin’ity Vanindahatsoratra momba ny Fahatry ny Feo ity, dia misongadina tanteraka ny figadon’ny Feo:
a)- An’Orona:
An’Orona no iantsoana ny Zana-peo amin’ny fotoana andalovan’ny Rivotra eo amin’ny Lavak’Orona.
b)- A-Molotra:
A’Molotra kosa no iantsoana ny Zana-peo amin’ny fotoana ihetsehan’ny Molotra roa.
22. Ny Fihetsiky ny lela.
Fihetsiky ny Lela telo no hodinihintsika eto :
a)- Fihetsika Anoloana:
Mandritry ny fanononana ny zana-peo “Hirik”, “ Teboka” = “ . “ambanin’ny Renisoratra “ י “ Yodh , amin’ity teny ity : קיר = Qiyr=” Rindrina “(Rindrin-trano),( Fohy nefa mirirotra ny Hirik ) , dia mitsotra lava sady mandroso manatona ny Nify ny Lela, sady manakely ny fisokatry ny molotra koa izany.
b)- Fihetsika Anivo:
Mndritry ny fanononana ny Zana-peo “Patah”, “Tsipika” = “ - “ , na “Tsipi-panohizana” (amin’ny Gramera Malagasy), ambanin’ny Renisotra “ ב “ = Beyth , amin’ity Teny ity « בת « Bâth = Zanaka Vavy , ( Fohy eto ny Zana-tsoratra Patah ) , dia somary mivonkona eo anivo amin’ny fahatry ny tsy an’ny atsy sy tsy an’ny aroa no misy ny lela amin’izany.
d)- Fihetsika Aoriana:
Mandritry ny fanononana ny Zana-peo “Holem” = “ . “ , “Teboka ambonin’ny Renisoratra”, izany hoe, ambonin’ny “ ו “ = Wav , amin’ity Teny ity “ מות “ Moth = Maty, dia tsaroana ho misintona any am-para-tenda ny lela ( toa manakaiky ny zana-dela ).
23.- Ny Patah Furtif:
Zava-droa loha no tokony hazava tsara rehefa mandinika ny “Patah Furtif” isika. Marihina fa ny fampiasana azy dia tsy maintsy ampiarahintsika amin’ny “Reni-feo” Ny anton’izany dia ny hahalalana izay mahatsara ny fanononana azy. Aoka ary horaisintsika ireto Reni-feo ireto amin’izao fandalinana ataontsika izao:
a)- Reni-feo An-tenda:
Raha misy “Reni-feo An-tenda” , toy ny ה Hey , na ny ח Rheiyth , na ny ע Rhaiyn , misy “Mappik” ( teboka kely ao anatiny ) izay tsy ahitana “Zana-tsoratra” na “Zana-peo” amin’ny fiafaran’ny Teny iray, kanefa efa misy “Zana-tsoratra” hafa ankoatry ny “Patah” na “Qâmets” eo alohan’ny faran’ny Teny, dia tsy maintsy ametrahana Patah mba hahatsara ny fanononana ilay Teny iray, izay antsoina hoe “Patah Furtif”.
b)- Fanonona ny Patah Furtif:
Mba hahamora sy hahatsara ny firindran’ny fanononana ny “Reni-feo An-tenda” ( voatsiahy teo aloha ), dia tsy maintsy tononina alohan’ny “Reni-soratra” na “Reni-feo” farany ny “Patah Furtif”.
Ohatra: גביע Gôviyrh’ = Misy Qameth eo ambanin’ny Guimel, tononina “ ô “ , misy Hirik
eo ambanin’ny Beiyth , ary misy Mappik ao amin’ny Rhaiyn. Araka ny fitsipika dia tsy maintsy ametrahana Zana-tsoratra Patah eo ambanin’ny Rhaiyn hahazoana manonona azy:
Tononina “Gôviy-a-h” ny גביע amin’izay fa tsy «Gôviyrhâ» .
רוח Rou-a-rh = Tononina “Rou-a-rh” ny רוח , ,fa tsy “Rourhâ” .
Araka ireo fanazavana nataontsika ireo ary, ny Patah eto dia antsoina hoe “Patah Furtif” noho izy tononina mafy, ary amin’izay io Patah io dia miova ho mahaleotena, sady hahatonga ny maha-“Vanin-teny” azy hisongadina tsara.